1 Ary tamininy alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; Ary novakina teo anatrehanny mpanjaka izany.

2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga ani Bigtana sy Taresy, roa lahy isanny tsindranolahinny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono ani Ahasoerosy mpanjaka.

3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena ani Mordekay noho izany ? fa hoy ny zatovonny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.

4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao ? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelanny tranonny mpanjaka taminizay hiteny aminny mpanjaka ny aminny hanantonana ani Mordekay aminilay hazo efa natsangany hanantonana azy.

5 Ka hoy ny zatovonny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.

6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao aminizay lehilahy tianny mpanjaka homem-boninahitra ? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tianny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho ? 

7 Ka dia hoy Hamana taminny mpanjaka: Ny aminizay lehilahy tianny mpanjaka homem-boninahitra,

8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoanny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenanny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;

9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tnanny anankiray izay malaza indrindra aminny mpanapaka voatendrinny mpanjaka, Ary aoka izay lehilahy tianny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina aminny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanna, Ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao aminny lehilahy izay tianny mpanjaka homem-boninahitra.

10 Dia hoy ny mpanjaka tamini Hamana: Faingna Ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amini Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadinny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.

11 Dia nalaini Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo ani Mordekay izy Ary nampitaingina azy taminny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao aminny lehilahy izay tianny mpanjaka homem-boninahitra.

12 Ary Mordekay niverina nankeo aminny vavahadinny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.

13 Dia nolazaini Hamana tamini Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy aminny taranaky ny Jiosy Mordekay, iza efa niatomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy hianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.

14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo dia tonga ny tsindranolahinny mpanjaka ka naka faingana ani Hamana ho any aminny fanasana izay efa namboarini Estera.
